Hommage du cercle de poètes Sandratra

Publié le par OverBlog

Iza moa i Elie Rajaonarison ?

(Fomba fijery Faribolana Sandratra)

lazaina001

 Nodimandry tamin’ny asabotsy 27 novambra 2010, teo amin’ny faha-59 taonany I Elie Rajaonarison noho ny tsy fahasalamana tampoka. Rajaonarison Elie no anarana nasalotry ny ray aman-dreniny azy. Teraka tao Ambatondrazaka izy ny 15 novambra 1951. Anisan’ny antony iray nireharehany sy nametrahany ho hambo ny maha gaona azy izany, na avy eny Ambohidrano Atsinanana, Avaradrano aza no tena fiaviany.


Olon’ny soratra feno i elie rajaonarison. Iray tamin’ireo angady nananana sy vy nahitana ny fijoroan’ny Faribolana Sandratra izy, roapolo taona mahery izay. Niaraka taminy tamin’izany ry A.R.Ni.(efa maty), Solofo José sy Lydiary, Niry-Solosoa, Manitra Andriamasinoro, Rakotonirina Gérard, Ranöe, J.Nalisoa Ravalitera. Mbola izy koa no lakana nampita sy nametraka ny Antsan-tononkalo fanaon’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely, niaraka tamin’ny talen’io foibe ara-tsaina io, Eckehart Olszowski, roapolo taona lasa izay.


Toy ireo mpiray faribolana aminy, na tsy tafaraka aza, anisan’ireo mpiondrika sy mpitady boky tranainy na saro-tadiavina eny amin’ny boky tonta izy. Maro amin’ireo nifanerasera taminy no tafara-dalana taminy tamin’ireny fotoana ireny. Raha fehezina, iray amin’ireo karazan’olona mpiondam-boky I Elie Rajaonarison.


Mbola eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny soratra ihany, maro ny boky misy ny sorany : Amboaran-tononkalo I, Tontolo isainana, Sandra-kalo, Ranitra, Sandratr’Antsa, Anjambolana, sy ny maro hafa, izay novokarin’ny Faribolana Sandratra sy/na ny Edisiona Tsipika, ankoatra ireo amboara madinika famoakan’ny Faribolana isam-bolana sy ny gazetin’ny haisoratra « Ambioka ».


Boky farany nivoaka teto an-toerana ny « Anjoria », niarahany nisalahy tamin’ireo zandry ao amin’ny Faribolana Sandratra nandritra ny Antsan-tononkalo tao amin’ny Cgm tamin’ny volana oktobra lasa teo. Iray amin’ireo nomanin’ny mpiray faribolana hitondra lahadinika ao amin’ny Foibe Unesco ao Behoririka izy ka ny *15 desambra* izao no fandaharam-potoana.  « Redy anjoria : any ambadiky ny misy ny misy », no lohateny saiky natolony. Nilona tamin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny serasera i Elie Rajaonarison.


Iray tamin’ireo fitarikandron’ny FM tamin’ny onjampeo teto Madagasikara,niaraka tamin-dry Tsilavina Ralaindimby, Josette Ramaroson, Niry Ravelojaona ary Nicolas Ratsimandresy* izy. Mbola nifanosona taminy hatrany ireo nandritra ny fahavelomany, nikirakira ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Nilofosany ny famokarana sy fitadiavana sehatra hivelaran’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ka nanjary nifaneraserany tamin’ireo sokajina mpanakanto maro toa an-dry Njila, Samoela, Ricky, Tsiakoraka, Tselonina, Ifanihy, Ralanto, Sesely, sy ny maro hafa sy ho voatanisa.


Notohizany teny Ambohitsaina izany tamin’ny fampiroboroboana ny Oniversita sy ny kolontsaina tamin’ny alalan’ny fampianarana tao amin’ny « Médiation culturellle ». « Poète universitaire » rahateo no famaritany ny tenany, araka ny fanazavan’ny fianakaviana. Ankoatra ny maha poeta azy, mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny Oniversite, amin’ny sampana « Anthropologie » I Elie Rajaonarison. *Nitety faritra maro niaraka tamin’ny mpiray faribolana izy, nanapariaka ny kanto vita amin’ny soratra toa an’Antsirabe, Ambatondrazaka, Mahanoro, Vatomandry, Toliara, Antsiranana, Toamasina sy ny maro hafa, hatrany ivelan’i Madagasikara (Frantsa, La Réunion, Angleterre, sns). Tsy vitsy koa no niarahany tamin’ireo mpisehatra ny kolontsaina hafa. Voatety hatrany amin’ny Ceg sy lycée isan-karazany. Mpaka sary kanto koa ny lehilahy izay narantiny ao amin’ny Ccac nomeny ny anarana hoe « Dindo sy Vina ». Mpandrindra an-tsehatra tamin’ny seho maro koa izy. Ary mpikambana feno tao amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy.


Nahatazanana azy koa ny tontolon’ny politika. Iray tamin’ireo namorona ny antoko Avi izy, araka ny fahafantarana azy. Efa nitana andraikitra ambony tamina minisitera toy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, mpiandraiki-draharaha tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny amin’ny maha diplaomaty azy, mpanolotsaina tany amin’ny minisitera, mpanolotsain’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Azo lazaina fa nandray anjara feno tamin’ny fiainam-pirenena i Elie Rajaonarison. 


Manamboninahitra fiandry koa izy. Niofana tao amin’ny Akademia miaramilan’Antsirabe, andiany «Dimby ». « Katibo » tamin’ireo indray andia taminy izy, ary niasa tany amin’ny Bani Ivato tamin’ny fotoan’androny. Izay rahateo no namorona ny sary amin’ny fanevan’ny Bani. Nisafidy ny lalana nampianatra teny amin’ny Oniversite izy, taorian’izany.


Fiteniny amin’ny mpiray Faribolana ny hoe «Izay tsy mihetsika, … mihitsoka», « Izay tsy mahandry … mandeha», «Isika mizara fanahy», «Isika tsy mitsoka lavenona fa mikopaka ny afo ho velona», «Mamorona fa tsy mamerina».

Manambady an’i Mamie i elie rajaonarison, manan-janaka telo mirahavavy sy zafikely maromaro.


Ny mpampita vaovaon’ny Faribolana Sandratra

Zo-Maminirina

 

L'administrateur : Jeannot RAMAMBAZAFY

OverBlog

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
B
<br /> Oui Elie, repose en paix, j'ai bien connu Elie quand nous étions à l'école normale de mahamasina et aussi dans les couloirs de la fac de lettres. Codoléances à sa femme et à ses enfants<br /> <br /> <br />
Répondre